- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntehiroka : Namono olona iray indray ny jiolahy

Antehiroka : Namono olona iray indray ny jiolahy

Saika isan’andro dia ahenoana fanafihana mitam-piadiana  foana eto Andrenivohitra sy ny manodidina. Ny alakamisy lasa teo, mpivarotra iray indray no namoy ny ainy vokatry ny asan-jiolahy teny Antehiroka. Tsy ireo olon-dratsy mivantana anefa no namono an’ity ramatoa  tompon-tsena ity ,fa ny aretim-po izay nahazo azy, taorian’ny nahalasa ny fananany nohariany tao anatin’ny taona maro, ary najifa tao anatin’ny indray mipi-maso monja, raha ny loharanom-baovao. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any no niseho ny fanafihana. Andian-jiolahy, toa hoe nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika mihitsy no nanao amboletra tao amin’ity fivarotana ity. Naka izay azony rehetra ary lasa nony avy teo. Tsy nisy nampandre ny zandary teny an-toerana, fa siosion-dresaka ny maraina no nahenoan’izy ireo ny mahakasika ity fanafihana ity, raha ny fanazavana azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici