Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tao Ilakaka, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 9 ora. Tsy maty ny afo raha tsy tamin’ny iray ora naraina. Trano 13 no may kila forehitry ny afo, ka ny roa tamin’ireo dia tranombarotra lehibe ary lasa lavenona hotohoton’ny afo avokoa ny entam-barotra rehetra tsy nisy voavonjy. Tsy nisy ny maty na ny naratra tamin’ny hain-trano indray mitoraka ity, fa entana mitetina an-tapitrisany maro no lasa lavenona sy kila forehitra. Raha ny fanazavana azo, dia niainga tamin’ny tranon’olon-tsotra teratany srilankey mpividy safira ny afo ; izay tsy tao an-trano ireo teratany vahiny tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Avy eo niitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina . Mahery ny 64 ireo tsy manan-kialofana amin’izao, ary efa in-droa nitrangana hain-trano nahatsiravina ny tao Ilakaka tamin’ity taona ity, raha ny vaovao voaray. Vita amin’ny hazo ny ankamaroan’ny trano miorina ao amin’io toerana malaza fitrandrahana safira io, ka izany koa no nanahirana ny famonoana ny afo. Ankoatra izany, mifaneritery zara raha misy elanelantrano ka tsy mahagaga fa tafafindra haingana ny fahamaizana.
Eric Manitrisa