- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Be : Famonoana vazaha roa sy Malagasy iray, hiakatra Fitsaràna anio

Nosy Be : Famonoana vazaha roa sy Malagasy iray, hiakatra Fitsaràna anio

Telo taona katroka aty aoriana, hiakatra fitsaràna etsy Anosy, anio, raha tsy misy ny sampona, ilay fitsaram-bahoaka ka nahafaty teratany frantsay niisa roa, sy Malagasy iray tany Nosy Be. Araka ny fantatra dia olona 27 no voarohirohy tamin’ity resaka famonoana olona ity, izay niseho ny 3 oktôbra 2013. Fantatra ihany koa fa misy zandary roa voampanga ho tsy nandray ny andraikiny teo anoloan’ny  olona niharan-doza. Ny loharanom-baovao akaiky an’ireo mpanao fanadihadiana ihany koa no nahalalana fa mpisolovava malagasy no hiaro ireo fianakavian’i Judalet sy Giafalla, ireo teratany frantsay maty nodorana velona tamin’io andro io, fa tsy ilay mpisolovava vahiny Bertrand Salquain akory. Ity farany, raha ny vaovao azo hatrany dia tsy afaka handeha aty Madagasikara. Raha tsiahivina kely ity tranga niseho tao Nosy Be, Hellville ity dia voantondro ho ao anatina tambajotrana mpangalatra taova ireto teratany vahiny roa sy Malagasy iray ireto, rehefa nahitana fatin’ankizilahy kely tao an-tranony. Tezitra tamin’izany ny fokonolona ka dia tsy nisalasala nandoro velona ireto olona telo ireto tany an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici