- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Toeram-pivarotana telo notetezin’ny jiolahy nitazona kalachnikov

Anosizato : Toeram-pivarotana telo notetezin’ny jiolahy nitazona kalachnikov

Ny zoma hariva lasa teo, mpivarotra maromaro teny Anosizato no nataon’ireo olon-dratsy lasibatra indray.

Efa nikasa hanidy tsena ny tompon’ireo toeram-pivarotana no tonga ny jiolahy nirongo basy. « Folo lahy izy ireo ary nitazona basy lava, kalachnikov raha araka ny fijeriko azy. Teto aminay izy ireo no nigadona voalohany ary nandrahona avy hatrany tamin’ny basy notazominy. Tsy vitan’izany aza fa mbola niharan’ny herisetra ihany koa ny tenako. Natositosika ary nodarohina tamin’ny vodibasy mba hanekeko hiankohoka amin’ny tany rehefa avy nanome ny vola rehetra izay maty indray andro », raha araka ny fanazavan’ny ramatoa iray nitazona ilay toeram-pivarotana. Io farany ihany no nanazava fa vola mitentina roa tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy nandritra ity fanafihana ity. Tsy nisy nisaron-tava na ny iray aza ireo olon-dratsy. Torak’izany ihany koa, rehefa niala teo amin’ilay toerana izy ireo dia nandeha tsy taitra, toa tsy mba nisy tahotra na ny kely akory aza. Asa, noho ny fahatokisan-tenan’izy ireo angamba rehefa miaraka amin’ny basy, na koa noho ny fahafahantaran’ireo fa tsy ho tonga ara-potoana eo mihitsy ny…mpitandro ny filaminana. Nohamarinin’ireo voatafika rahateo izany fahataran’ny mpanavotra izany. Mbola afaka nanatontosa fanafihana roa karazany ireo andian-jiolahy taorian’io. Mpivarotra teo amin’ny manodidina ihany no norobain’ireo ka nahazoany telo hetsy sy iray hetsy indray. Vita izay rehetra dia niala tsotra fotsiny teo amin’ilay tanàna izy ireo. Tsy nisy akory na dia hazakazaka kely aza fa dia nandeha toa ny olon-tsotra tsy nanao ratsy, raha ny fitantaran’ireo olona nahita ny fandehan-javatra. Nisy, toy ny mahazatra, ny fisafoana ny manodidina. Nisy, toy ny mahazatra ihany koa, ny fanadihadiana nosokafana. Saingy tena vahaolana ve izany rehetra izany manoloana ny asan-jiolahy izay misesisesy eto an-drenivohitra ?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici