Vao maraina dia hazakazaka nanodidina ny tanàna no nentin’ireo polisim-pirenena nanokafana ny fanamarihana ny faha 54 taon’ny polisy teto Antsirabe. Ho an’ny teo amin’ny lafiny ara-panatanjahan-tena dia nitohy izany tamin’ny alalan’ny “tournoi” maro samihafa natao nandritra io fotoana io, izay nandraisan’ny polisy maro anjara, toy ny tao amin’ny Eniap, ny Brsp sns… Fa hetsika maroloko ihany koa no nentin’ny teo anivon’ny polisy. Isan’izany ny fampirantiana ireo tranoeva misy ny tantaran’ny polisy sy ny asa iandraiketany ary ny sampandraharaha samihafa misy ao amin’ny borigady. Lohahevitra noraisina fanindroany ary iraisan’ny rehetra moa ny hoe “Polisim-pirenena miray hina, manaja ny fitsipi-pifehezana ary manakaiky ny vahoaka”. Saika niompana tamin’io avokoa ny kabary tamin’ny fandraisam-pitenenan’ireo manamboninahitra sy sivily nasana, isany ny lehiben’ny faritra izany nilaza fa tsy misy fampandrosana raha tsy misy filaminana sy fitoniana. Notsindrian’ny kaomisera divisionera Talily Damy fa efa manakaiky ny vahoaka hatrany ny polisim-pirenena amin’izao fotoana ary anentanany hatrany ny vahoaka tsy hisalasala hiara-kiasa amin’ny polisy fa tsy biby fampitahorana akory ny polisy, ary nohamafisiny ny fitazomana ny tsiambara-telon’ireo milaza vaovao.
Fa ankoatra izay dia nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ity androm-pirenen’ny polisy ity ihany koa ny famoahana ireo andiany faharoa amin’ny polisy amperinasa “ force d’intervention specialisée” nanaraka fiofanana manokana nandritra ny tapa-bolana tao amin’ny Eniap. 18 mirahalahy ireto nahavita fiofanana ireto.
Andry N.