Raha mbola tsy fantatra mazava hatramin’izao na maty na velona, na efa votsotra na tsia, ireo teratany karàna sasantsasany nisy naka an-keriny roa volana lasa izay, izao koa dia mbola misy iray hafa nalain’ny jiolahy indray. Ny asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora latsaka, no tonga tao amin’ny toeram-pivarotan’i Moustapha Azir ny efa-dahy manao saron-tava sy mirongo basy. Tsy misy tsy mahafantatra ny magazay Triangle ny mponin’i Toamasina ary marobe ihany koa ny olona mifamezivezy teo an-toerana tamin’io fotoana io. Tsy nanakana ireo mpaka an-keriny tsy hanatontosa ny asany anefa izany. Nanao tifi-danitra ireo mba hanaparitahana ny olona izay liàna raha nahita mivantana izany atao hoe « kidnapping » izany. Fiara kangoo fotsy no nentin’ireo olon-dratsy ary tao anatin’ny segondra vitsy monja dia efa nanjavona teo an-toerana niaraka tamin’ilay karàna izay nentin’izy ireo niaraka taminy. Hatramin’ny omaly dia mbola tsy nisy ny fifandraisana teo amin’ny fianakavian’i Moustapha Azir sy ireo jiolahy. Avy any Toamasina no nahafantarana fa misy olona efa mpanao kidnapping hita nivezivezy eraky ny tanàna tato ho ato. Io anefa, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana, dia tokony mbola hamita sazy any am-ponja amin’izao fotoana izao. Toa zary lasa tsotra loatra ny fanaovana fakàna an-keriny ankehitriny. Fantatry ny jiolahy izany ka mahatonga io karazan-keloka io misesisesy. Eo ihany ny fanafenan’ny fianakavian’ireo karàna ny zava-misy saingy amin’ny lafiny iray ihany koa dia hita fa mbola misy tandrevaka ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Toa tsy misy loatra ny tena nahazo fiofanana manokana afaka manadihady heloka bevava toa ny fakàna an-keriny ary manampy trotraka izany ihany ka ny tsy fisian’ny fitaovana. Vokatr’izany dia toa lasa ny olon-dratsy indray no misy manam-pahaizana manokana amin’ny fanatontosana…kidnapping.
D.R