- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Saika nisy hanafika ny OTIV

Soanierana Ivongo : Saika nisy hanafika ny OTIV

Tranga tsy dia fahita ao Soanierana Ivongo ao,any amin’ny faritra Analanjirofo, ny fanafihana olona mitam-piadiana, raha tsy amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra jirofo sy lavanilina tahaka izao.

Taorian’ny fanafihan-jiolahy nitondra P.A ity mpandraharaha vokatra fanondrana iray tao an-toerana tapa-bolana lasa izay, dia nisy nikasa hanafika ihany koa ny OTIV, Ombona Tahiry Ifampisamborana Vola, tao Soanierana Ivongo, ny asabotsy maraina teo araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Raha ny angom-baovao natao, dia tovolahy iray manana bika vaventy vatana, mandoko vola mena, ary mihaingo tsara, no tonga tao amin’ity OTIV Soanierana Ivongo ity. Sady be fanontaniana mikasika ny OTIV ny tenany, no kaodikaody be izany araka ny fanazavana azo. Vao lasa ity tovolahy izay tsy mponina ao an-toerana araka ny fanazavana, dia nahatsikaritra ny mpiasa iray izay efa niasa tamin’ny OTIV tao Toamasina, fa efa nanafika azy ireo niaraka tamin’ny namany telo ity tovolahy ity ary nahazo vola be tamin’izany. Nanomboka teo ny fitarainana teo anivon’ny polisy ary nanomboka avy hatrany ny fikarohana azy eran’ny tanàna, saingy “nanjavona” tampoka ny tovolahy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici