- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Nisy mitory ny miaramila

Tsiroanomandidy : Nisy mitory ny miaramila

« Nidiran’izy ireo tao an-tranony ny havanay. Tao Mangarivotra, tanàna iray eo anivon’ny distrikan’i Tsiroanomandidy no nisian’izany. Tsy iza fa ireo miaramila izay nanao fampandrian-tany no tompon’antoka », raha araka ny fanazavan’ireto olona maromaro avy any an-toerana izay nanatontosa fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly mba hanehoany ity herisetra nitarika vonoan’olona ity. Ireo ihany no nilaza fa nanao sava hao  ireo toerana mampiahiahy ireo mpitandro ny filaminana. Isan’ny nosamborin’ireo ilay raim-pianakaviana ary nifampitolomana mihitsy mba nahafahana nitondra azy. Tsy hita popoka izy nanomboka teo. Andro vitsy taty aoriana dia hita faty ilay lehilahy. Teo amin’ny 12 kilaometatra niala teo amin’ilay toerana nisamborana azy no nahitàna an’izany. Mazava ho azy fa niantefa tany amin’ireo miaramila ny ahiahin’ny fianakaviana, izay nametraka fitoriana avy hatrany ary nandefa taratasy fitarainana tany amin’ny andrim-panjakana samihafa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici