- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBelo Tsiribihana : Mpizaha tany vahiny voaroba, lasa ny 5 tapitrisa Ar

Belo Tsiribihana : Mpizaha tany vahiny voaroba, lasa ny 5 tapitrisa Ar

Mpizaha tany vahiny miisa sivy no niara-dalana, ny roa tamin’izy ireo mbola zaza, teratany malagasy koa ny telo izay mpitari-dalana mpitondra vahiny avy eto Antsirabe. Niharan’ny herisetra sy fandrobana izy ireo ny alahady lasa teo raha nikasa ho any amin’ny toerana antsoina hoe Anisinapela Belo Tsiribihana, ity toerana ity dia mahasarika mpizahatany tokoa. Jiolahy miisa valo lahy no  voalaza fa nanao ny fanafihana ka ny roa tamin’izy ireo nitondra basy, araka ny fantatra. Teo am-piomanana hiondrana anaty lakana hiampita ny reniranon’i Tsiribihana ireto vahiny ireto no nipoitra tampoka ireo jiolahy ary avy hatrany dia nandrahona tamin’ny basy, ny sasany kosa namatotra ireo vahiny sy ny mpitondra azy. Tapitra noraofin’ireo jiolahy avokoa rehefa fananana lafo vidy, ankoatra izay ny vola rehetra tany amin’ireto vahiny ireto, eny fa hatramin’ilay zaza roa aza dia nosavainy ihany koa. Voalaza fa vola 5 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy ankoatra ny entana lafo vidy voalaza etsy ambony. Ireo mpitsaika lakana koa nafatotra avy eo nahohoka tao anaty lakana tsy hijery ny tavan’ireo jiolahy.

Rehefa izany, nitsoaka nandositra ireo jiolahy, niezaka namaha ny fatorany ireo mpitondra lakana ary namaha ireo vahiny, zay vao nampandre ny mpitandro filaminana. Tsy nisy tratra ireo olon-dratsy efa misokatra ny fanadihadiana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici