Lasa ny fitaovana maro ilaina amin’ny fandefasana hira ao am-piangonana. Isan’izany :ny lecteur DVD, ny clé USB, ny micro-balladeur ary hatramin’ny fanalahidy aza. Fiangonana iray tetsy Antanimena no niharan’izany hala-botry izany, tamin’ny volana septambra lasa teo. Ankona tanteraka ny tompon’andraikitry ny fiangonana ary tsy vitan’izany fa nangina ihany koa ny mariazy izay nohamasinina tao tamin’io fotoana io. Ny talata lasa teo, raha mbola saika hanao ny asaratsiny ny lehilahy iray no saron’ny pôlisy miasa eo anivon’ny poste avancé Antaniavo. Tadidin’ny mpitandrina sy ny tompon’andraikitra hafa tao am-piangonana izy, satria efa hitan’izy ireo ihany ny nidiran’io mpanao asaratsy io, saingy tsy nisy nanam-po fa mpangalatra ny tenany. Natolotra ny fampanoavana omaly ka nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny hala-botry ilay lehilahy.
D.R