
Samy nandà ny fiampangana azy avokoa ireo olona voarohirohy, na izany sivily na izany miaramila. Torak’izany ihany koa ilay olom-boafidy teo aloha. Hitohy anio ny raharaham-pitsarana.
Tsy nivoaka omaly araka ny vinavina, ny didim-pitsarana mahakasika an’ilay raharaha fandorana velona teratany vahiny roa sy famonoana ho faty malagasy iray. Vita avokoa ny fihainoana ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay heloka bevava. Amin’ny ankapobeny, dia samy nandà ny fiampangana azy avokoa ireo olona 37. Torak’izany ihany koa ireo zandary roa, dia ny komandàn’ny kaompania sy ny lehiben’ny borigady ao Nosy-Be tamin’izany fotoana. Nohazavain’izy ireo teo anoloan’ny fitsarana, fa baiko avy any ambony ny azy ireo no notanterahiny. Izany dia nentin’ireto mpitandro ny filaminana niaro tena ny amin’ny fiampangana azy ireo ho tsy nandray andraikitra namonjy ireo olona telo niharan’ny fitsaram-bahoaka. Vita tao anatin’izay telo andro izay ihany koa ny fihainoana ilay senatera teo aloha ; izay voarohirohy ho nitarika ny olona hikomy, avy amin’ny fanelezana izany tamin’ny alàlan’ny onjam-peo ; izay izy ihany no tompony. Hanomboka anio dia hiompana amin’ny adihevitra amin’izay ny raharaham-pitsarana. Hiaro ny olony ny mpisolovava ary hiaro ny fiampangana ihany koa ny fampanoavana. Izany rehetra izany dia mizotra any amin’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ady heloka bevava amin’izay didy havoakany. Isan’ny ao anatin’ny fandaharam-pitsarana anio, ny fijerena ilay horonan-tsary tamin’ny 03 oktobra 2013 izay nisehoan’ilay heloka bevava. Io « vidéo » io dia nitety izao tontolo izao tao anatin’ny fotoana fohy ary nahazoan’ny firenena tsikera maro, satria hita teo avokoa ny fomba namonoana sy nandorana velona ireo teratany vahiny, italiana sy frantsay. Maro tamin’ireo tonga nanotrona ny fitsarana ihany no somary nanontany tena raha nandre ny amin’ny handefasana ireo raki-tsary sy raki-peo. Ny antony dia mbola tsy ao anatin’ny lalàna velona, hany ka tsy tena azo sokajiana ho porofo izany eo anivon’ny fitsarana. Saingy na izany aza, dia niarah’izao tontolo izao nahita ireo ary afaka mamelona tsara ny adihevitra ao amin’ny fitsarana ady heloka bevava ; izay handray ny fanapahankeviny, ka hamoaka ny didy tsy ho ela…
D.R