Saribakoly vavy kely no ivavahany sy rarahany ody maherivaika ka ampiresahany ary dia manatanteraka ny tiany hatao ilay devoly ao aminy . Karazana ody mahery « moara » taolana efa maina, ravinkazo , tapakazo, ary elo mena, tehina mena ary akanjo menamenabe no anaovany rehefa hiantso ilay fanahy ratsy izy. Raha misy ankizivavy manana anarana ranona ao an-tanàna dia iny no iantsoany ilay saribakoly vavy ao aminy izay efa voahozona sy nivavahany ary norarahany ranonjavatra ka toy ny miaina io saribakoly io ka izay teny hataony amin’ilay saribakoly no mahazo ilay zazavavy tompon’anarana. Lasa mitady hilefa mitabataba ,mitomany ary safotra mihitsy aza raha tsindriany ny kibon’ilay saribakoly ,asainy mitomany. Moa va tsy ireny amin’ny horonan-tsary mampatahotra ireny hoy ny ray aman-dreny ao antanana mahafantatra azy. Efa nanomboka tany amin’ny volana jiona 2015 tany ho any no efa nanomboka izao asan’ny maizina tao amin’ny tanàna iray atao hoe Tsaramandroso Bejofo Ambatondrazaka ity ,ka izay mihetsika Ambalavelona dia manonona ny anaran’ilay rangahy. Teo no nahatonga ny mponina hiakatra tany amin’ireo manampahefana aty Ambatondrazaka, ary niantso mpanao gazety hitantarana ny raharaha. Araka ny loharanom-baovao voaray dia nidina tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana ka vaky nandositra ilay nahavanona ny loza. Noho ny ezaka natao dia sarona ihany izy niaraka tamin’ny ody ratsiny ka dia nampidirina am-ponja vonjimaika izy 4 mianaka mpiray tsikombakomba .Nahitana sary omby tanimanga sy basy kilalao mihosotra fanafody ary satroka mena misy fitaratra koa tao aminy. Nambaran’ny ray aman-dreny lehibe iray ao an-tanàna fa ao aminy no maka fanafody ny dahalo rehefa handeha hanafika. Nandray fepetra ny vahoaka amin’izao fotoana izao ny hivavaka avokoa ,ary dia nanentana ny rehetra ny hamonjy fiangonana ,hitodika amin’Andriamanitra, satria efa manomboka miseho vatana ny devoly. Asa efa akaiky tokoa angamba ny farany.
Janus R