- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimiandra : 4x4 mpanaraka ny Praiminisitra, nivadika ambony ambany

Ambohimiandra : 4×4 mpanaraka ny Praiminisitra, nivadika ambony ambany

accidentprimatureOmaly tamin’ny 1 ora mahery kely tany, niharan-doza, nivadika ambony ambany ny fiara 4×4 Mitsibushi L 200 mpanaraka ny Praiminisitra. Teny Ambohimiandra Fenomanana no niseho izany loza izany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa olona telo no tao anatiny ary naratra avokoa izy ireo, ka efa nalefa tsaboina any amin’ny hopitaly. Nandeha tamin’ny làlana mahitsy akaiky fiangonana iray eny an-toerana ity fiara ity, no avy dia nifandona tamina taxi-be. Avy eo, voalaza fa nifatratra tany amina pôtô ary dia nivadika, ny kodiarana efatra no ambony. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny nahatonga an’ity fiara ity nifandona ohatran’izany. Efa tonga teny an-toerana moa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nijery ny zava- nisy. Vetivety ihany dia tafarina ilay fiara. Tamin’izany no nahitana, fa tena potika tanteraka ilay izy.

Volana roa lasa izay, nisy fiara mpanaraka ny Praiminisitra niharan-doza sahala an’izao, tany Antsohihy. Tsy nisy ny aina nafoy, fa ny fahasimbana, toy ilay omaly no betsaka. Ny resaka re hatrany moa no hilazana, fa vokatry ny fandehanana mafy hatrany no niavian’ny loza. Samy mahita tokoa ny rehetra, fa ireny fiara mitarika sy manaraka tompon’andrikitra ambony ireny, dia mandeha mafy avokoa. Izay mijery indraindray no fanina.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici