Naharay fitarainana avy tamin’ny tompon’andraikitra tao amina tranombarotra iray lehibe eto andrenivohitra ny polisy avy ao amin’ny Faritany mikasika faverezana entana marobe. Tamin’ny zoma lasa teo no natao izany. Tsy niandry fa nanokatra fanadihadiana ireo mpitandro filaminana. Tsy ela dia nivaly izany ka fantatra fa mpanampy tao amin’io toerana io ihany no nanao ny halatra. Be dia be tokoa ireo zavatra very toy ny « vidéo projecteur » miisa 16, « ordinateur portable » miisa 10. Mahatratra hatrany amin’ny 40 tapitrisa ariary ny vidin’izany entana very izany. Tsy lasa lavitra fa tamin’ny andro nametrahana ny fitarainana dia voasambotra ilay nanao ny halatra niaraka tamin’ny sakaizany voalaza fa niray tsikombakomba aminy. Tsy izy ireo irery no tratra fa teo koa ireo mpanafina ny entana halatra sy ny mpividy izany. Valo izy ireo , hoy ny vaovao ka mpitondra fivavahana ny iray. Rehefa nohadihadiana moa ireo mpangalatra dia voalaza fa nihaiky ny zavatra nataony. Omaly no natolotra ny Fampanohavana izy ireo.
r.s.