- Publicité -
mardi, décembre 30, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Dahalo efatra voasambotra saika niharan’ny hatezeram-bahoaka

Ambositra : Dahalo efatra voasambotra saika niharan’ny hatezeram-bahoaka

« Teo am-pamahana ny valan’omby mihitsy ireo dahalo no tratran’ny fokonolona, hoy ny fampitam-baovao. Ny efatra ihany anefa no voasambotra fa ny roa kosa tafaporitsaka niaraka tamin’ny basy roa ». Vokatr’izay saika niharan’ny hatezeram-bahoaka teo ireto olon-dratsy, raha tsy tonga haingana ny zandary, ny zoma lasa teo, tao Ivato Centre, Ambositra. Nisehoana fanafihan-dahalo mantsy tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambalamarina ny alin’ny alakamisy hifoha zoma, tokony ho tany 12 ora alina tany ho any. Araka ny nambaran’ny zandary dia dahalo enina mirongo basy no tonga tao amin’io tanana io. Tsy nahavita ny asa ratsiny anefa izy ireo noho ny firaisan-kinan’ny fokonolona izay mivondrona ao anaty fikambanana ho famongorana ny asan-dahalo any an-toerana. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo dahalo tratra ireto. Marihina fa mbola nahatratrarana basy vita gasy iray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana maromaro teny amin’ireo malaso ireto. Ary olona mponina amina tanana tsy lavitr’io tanana voatafika io ihany izy ireo, raha ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici