- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMpikirakira vola amin’ny finday : Lasibatr’ireo mpisoloky, very vola an-tapitrisany maro

Mpikirakira vola amin’ny finday : Lasibatr’ireo mpisoloky, very vola an-tapitrisany maro

Raha saika lasibatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ireny mpaninjara sy mpikirakira vola amin’ny finday na « cash point » ireny teo aloha teo, teto Andrenivohitra .Ireo mpisoloky indray amin’izao fotoana izao no tena mampikaikaika azy ireo. Araka ny fantatra mantsy, dia misy andian’olona mihitsy, mitily ireo izay vao misokatra hanaovana ny asa ratsiny. Vao tamin’ny herinandro lasa teo, tranombarotra mpikirakira vola maromaro no lasibatra ary very vola an-tapitrisany maro mihitsy. Tsy ampoizina mihitsy ireo olona ireo, raha ny filazan’ireo mpivarotra efa voa. « Rangahy mihaja manodidina ny 45 taona any ho any no tamy nanatona anay teo ary nilaza fa handefa vola aman’hetsiny maro. Tsy ampy anefa ny ravim-bola nomeny ary nasaina naverina tany aminy hampiany. Rehefa naveriny ilay izy, ny tena efa natoky hoe ampy ary nandefa ilay vola. Rehefa lasa ilay olona, ka hamerina hanisa vao hita fa tena tsy ampy betsaka ilay vola, banga aman’hetsiny maro ihany koa » hoy ity mpivarotra lasibatra ity. Tambajotra iray mihitsy izy ireo, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra iray misahana ireny mpaninjara vola amin’ny finday ireny ary efa maro dia maro ireo mpivarotra tratra. Misy karazany maro ny fomba entin’izy ireo amin’izany fisolokiana izany, toy io ravim-bola tsy ampy io, na ihany koa fandraisana hafatra sandoka, hoy hatrany ny fanazavana. «Tsy misy afa-tsy fahamailon’ireo mpaninjara ihany ary izahay dia tsy mitsahatra mampitandrina ireo mpaninjara vao misokatraEfa nisy ny fepetra noraisina, saingy tafaporitsaka foana izy ireo ary tsy hita henjehina. Mazana mantsy dia saika taratasy hosoka no ampiasain’izy ireo hanokafana « compte ». Tsy hita hobahanana ihany koa ny vola lasa, fa eo noho eo ihany dia efa misy maka amina toerana hafa ilay vola lasa ao anaty finday » hoy kosa ity tompon’andraikitra nanontanianay ity. Hatreto anefa dia mbola tsy nisy tratra izy ireo, ka isan’ny mampitaraina ireo mpivarotra. Tokony mba hojeren’ireo tompon’andraikitra isanisany akaiky ity tranga ity, hoy ny fitarainan’izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici