Mitohy tsy mijanona ny fanenjehana an’ireo andian-dahalo anjatony nanafika ny tsena sy ny tobin’ny zandary tany Befotaka. Fantatra izao fa mahatratra folo ny isan’ireo basy very miaraka amin’ny bala. Re ihany koa fa tamin’ny fanarahan-dia, dia nisy fatina dahalo hita tany an-kodahoda tany. Ny vaovao no nahafantarana fa navelan’ny namany teny an-dalana teny ny razana. Taorian’iny fanafihana nahery vaika iny dia nohatevenina ny isan’ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Zandary maro avy amin’ny faritra hafa no tonga manampy an’ireo namany. Any ihany koa ny avy amin’ny « hetsika Fahalemana ». Miasa koa ny hélicoptère sy ny fiaramanidina madinika amin’ny fitadiavana ny toerana alehan’ireo olon-dratsy ireo.
Raha tsiahivina ny zavatra niseho, tonga nanafika tao Befotaka ny dahalo efa ho zato mahery ny alin’ny zoma tamin’ny herinandro lasa. Tao antsena ry zalahy no nanafika voalohany. Nahare izany ireo zandary roa niandry raharaha ka nandeha tany an-toerana. Raikitra ny fifampitifirana. Tsy nahaleo ireo mpandroba maro ny mpitandro filamina ka nikasa hiverina tnay amin’ny toby. Hay koa tany efa norobain’ny dahalo. Roa ihany koa ny zandary tao ka resy tosika. Lasa nanavotr’aina. Tamin’io alina io moa dia tsy teo an-toerana ny lehiben’ny borigady fa namita iraka niaraka tamin’ny miaramilany sasany. Toa fantatr’ireo mpandroba izany koa dia tonga ry zalahy. Tamin’izay no nahavery zavatra maro ankoatra ireo basy sy bala.
r.s.