- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tranombarotra karàna voatafika, lasa ny volabe 50 tapitrisa ariary

Toliara : Tranombarotra karàna voatafika, lasa ny volabe 50 tapitrisa ariary

Tsy manafika alina intsony ny jiolahy mitam-basy ao Toliara amin’izao fa amin’ny andro mazava be olona mivezivezy. Tranombarotra ana teratany karàna iray izay amoron-dalàna tsy lavitry ny bazary Sanfily Toliara no notafihana jiolahy enina nirongo basy Kalach sy P.A, ny faran’ny herinandro iny, ka lasa tamin’izany ny lelavola 50 tapitrisa ariary tao anaty “coffre”. Tsy nionona teo ireo jiolahy fa mbola nandroba ramatoa iray saika hividy entana tao amin’ity magazay ity. Najifa ny firavaka volamena sy rojo ary vola rehetra teny aminy.
Miparitaka ny basy mahery vaika. Raha ny vaovao voaray dia voambana vavam-basy avokoa ireo niharam-boina ka tsy afa-nihetsika na niantso vonjy na dia be olona nandeha sy nivezivezy  aza tsy lavitra teo. Rehefa azon’ireo olon-dratsy ny rembiny dia lasa nandositra izy ireo ka mbola karohina hatramin’izao, raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana. Manoloana ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana ao Toliara arahina vono olona hatrany efa amam-bolany maro izay, dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny mponina any an-toerana mandry andriran’antsy mba handray andraikitra amin’izay sy hitady vahaolana haingana sy maharitra, fa ny tsy manan-tsiny hatrany no mamoy ny ainy sy very fananana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici