- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Basy maherivaika dimy tratra, olona fito voasambotra

Toliara : Basy maherivaika dimy tratra, olona fito voasambotra

Natolotra ny fitsarana tao Toliara omaly ireo olona fito mianadahy voasambotra voarohirohy tamina trafikana basy miisa dimy tratran’ny polisy ny asabotsy lasa teo. Taorian’ny fanomezam-baovao noho ny fiaraha-miasa avy tamin’olona tsara sitrapo no nahazoana vokatra izao, raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, misy ramatoabe iray mivarotra basy ao Toliara. Rehefa natao ny fitsongoana dia azy, dia nisy olona iray avy any Ihosy tratran’ny polisy vao avy nividy basy tao aminy, ary nentina tamin’ny posy ny fitaovam-piadiana. Rehefa nosavaina ny tranon’ilay ramatoabe dia mbola nahatratrarana basy telo, ary nilaza izy fa ny roa efa namidiny. Ny iray tamin’olon-tsotra any amin’ny fokontany Manombike Antanimieva, distrikan’i Morombe. Ny faharoa io vao tratra tao anaty posy io.

Basy misoratra amina mpianatra. Misy taratasy avokoa ireo basy tratra (tsy hay hoe : sandoka ?), saingy tsy manana fahazoan-dalàna mitazona sy mivarotra izany izy, ary ny mahagaga dia misy amin’ireo basy no misoratra amin’ny anaran’ny zanany izay mbola mpianatra ”, hoy ny kaomisera Marinjaha Vavintafika Vololonandro nandray an-tanana ny famotorana. Ny fiparitahan’ny basy toy izao no mampirongatra ny fanafihana mitam-piadiana ao Toliara, ka nanentana ny rehetra ny avy ao amin’ny polisim-pirenena, mba samy ho mailo sy hanome vaovao hatrany ny mpitandro filaminana raha misy olona mampiahiahy sy mitazona fitaovam-piadiana eny anivon’ny fokontany, fa ny fitandroana ny filaminana dia natao ho an’ny rehetra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici