Lehilahy iray no voasambotry ny polisy teto Antsirabe fa nahatratrarana menaka rongony tao an-tranony. Efa fantatry ny polisy ny fisian’io menaka io vokatry ny loharanom-baovaon’izy ireo ka niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany izy ireo ny faran’ny herinandro lasa teo.Tao vatofotsy no nahatratrana ity lehilahy iray ity ary fantatra fa tsy mionona amin’io menaka rongony io ihany ny asa ratsin’ity voasamboatra ity fa misy zavatra hafa ihany, koa saingy mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy amin’izao fotoana; efa natolotra ny fitsarana rahateo ny raharahara.
Tsy nitsahatra moa ny teo anivon’ny polisim-pirenena nanamafy ny fiaraha- miasan’izy ireo amin’ny vahoaka, indrindra amin’ny fanomezana ny vaovao , eny fa na dia mbola mampiahiahy aza ny zava-mitranga eny amin’ny fiaraha-monina ifotony eny. Tokony holazaina avy hatrany amin’ny tompon’andraikitra raha misy tranga hafahafa fa izany no ahitam-bokany amin’ny asan-jiolahy, hoy ny kaomisera Divisionera Talily Damy nanazava.
Andry N.