- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Befotaka : Misy anarana voatonontonona

Raharaha Befotaka : Misy anarana voatonontonona

Efatra andro taorian’ny fanafihan-dahalo marobe tao amin’ny tanànan’i Befotaka, izay nahafatesana dahalo sy olon-tsotra ary nahaverezana basy sy vola be dia be,  dianohamafisina ny fanenjehana an’ireo olon-dratsy. Fantatra fa nisy ny mpitandro filaminana avy aty an-drenivohitra nalefa hanatevin-daharana ireo izay efa any an-toerana. Ankoatra izany dia voalazan’ny vaovoa fa misy anarana voatonontonona mahakasika iny fanafihana nahery vaika iny. Efa mandeha eny amin’ny faritra maro ireo mpitandro filaminana manao sava hao ny toerana voalaza fa iafenan’ireo olondratsy. Antenaina, hoy ny mpanara-baovao, fa hisy ny vokatra atsy ho atsy satria dia efa mandry tsy lavo loha ny mponina any amin’iny faritra iny amin’ny hafitsok’ireo andian’olona mampihorohoro, mangalatra ary mamono mihitsy aza.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici