Isan’ny nampikoriana ranomainty betsaka tamin’iny herinandro nivalona iny, ny raharaha « Jimmy ». Fantatra ary fa hatao anio, eny amin’ny Tribonaly Anosy ao amin’ny efitrano voalohany ny fotoam-pitsaràna azy. Eo anatrehan’izay indrindra, ary taorian’ny nahazoan’ity farany fahafahana vonjimaika taorian’ny nisamboran’ny pôlisy azy mantsy,dia naneho ny tsy fahafaliany ireo mpivarotena efa nianjadian’ny herisetra avy amin’ity lehilahy ity. Omaly hariva, nivory teo Analakely izy rehetra ary nitafa tamin’ny mpanao gazety, miantso fiarovana avy amin’ny Fanjakana ary ny tokony mba hijeren’izy ireo akaiky ity tranga ity. «Manahy mantsy izahay fa sao dia hisy somonga ratsy ka ho afaka mora foana ity lehilahy ity. Efa maro taminay anefa no niharan’ny herisetra sy fampijaliana nataony » hoy solon-tenan’ireto tovovavin’ny alina ireto. Raha tsiahivina tokoa dia taorian’ny fitairanana nataona mpivarotena maromaro no antony nisamborana ity lehilahy ity. Niharan’ny fampijaliana ara-batana izy ireo, raha ny fantatra hatrany, ary mbola miampy fandrahonana amin’ny basy mba hanekena izay kasainy hatao ; izay tsy inona fa firaisana any aoriana sy fanatsofotsofohana karazan-javatra. Fa ambonin’izay dia vesatra hafa toy ny fitazomana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalàna, tsy manana fahazoan-dalana mamily no antony nisamborana azy. Ny sabotsy teo anefa, nitsangam-bolo ireo efa niharan’ny herisetra raha fantatra, fa nahazo fahafahana vonjimaika ny lehilahy. « Matahotra ihany, na dia efa fantatra aza fa misy mpiaro izahay ety am-panaovana ny asanay ety. Izy rahateo milaza fa manam-bola. Olona tsy mponina eto mantsy izy fa mandalo fotsiny ihany » hoy hatrany ny feon’ireto tovovavy ireto. Nanamarika aza ny solon-tenan’izy ireo, fa « toa hoe efa naharay fandrahonana sahady izy amin’ny fiarovana an’ireto mpivarotena lasibatr’ity lehilahy ity ». «Antso avo no ataonay mba hijeren’ireo tompon’andraikitra isanisany ity raharaha ity, satria mba olombelona manana zo izahay » hoy hatrany izy ireo.
m.L