Asa raha saika haondrana aiza indray ireto harem-pirenena ireto. Zana-tsokatra 305 mantsy no saron’ny zandary teny Ambohimanambola,talata teo. Mpanao trafika efa-dahy kosa no voasambotra. Teratany SriLankais ny iray tamin’izy ireo raha ny fampitam-baovao avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Ity farany izay nambaran’ny tompon’ireto sokatra ireto. Taorian’ny angom-baovao azon’ny zandary ny amin’ny fisiana tambajotra mpivarotra sy mpanondrana sokatra no nahafahana nanampaingotra telolahy teny Ambohimanambola. Rehefa nosavaina mantsy ny fiara nentin’izy ireo dia nahitana sakaosy mihidy. Rehefa nojerena akaiky dia zana-tsokatra marobe no tao anatiny. Ireto farany indray avy eo no nilaza fa tsy izy ireo no tompony fa manana “patron” izy ireo; izay monina eny Tsimbazaza. Taorian’ny vela-pandrika natao no nahasamborana ity farany. Nentina nohadihadiana avy hatrany teny Betongolo ireto voarohirohy amin’ny fanondranana harem-pirenana ireto. Anio kosa no fantatra fa hatolotra eo anivon’ny Fampanoavana. Ny hirarian’ny rehetra fotsiny dia mba tena handray ny valin’asany ireo mpanao ratsy eny amin’ny Fitsaràna. Tsy very momoka fotsiny amin’izay ny ezaka ataon’ireo mpitandro ny filaminana.
m.L