Lehilahy iray voatondro ho olon-dratsy mpamaky fiara iray indray no maty voatifitry ny pôlisy ny marainan’ny alakamisy teo, teny amin’iny faritra Manjakary II C iny. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena dia niisa enina izy ireo no nihaodihaody teny amin’iny faritra iny io maraina io, tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any. Avy hatrany dia nisy nampandre ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny UIR ny amin’ny fisian’ireto andian’olona mampiahiahy ireto, izay tonga avy hatrany teny an-toerana. Araka ny fanazavana azo hatrany dia efa teo am-pamohana varavarana fiaran’olona iray teo an-tokotany ry zalahy ireto. Ny sasany aza efa nahavita nanongotra ny « haut-parleur », ny « auto-radio » ary ny « batterie » mihitsy nony tonga ireo mpitandro filaminana. « Vao nahita ny Polisy ireto jiolahy dia nivonona hanohitra nandà ny fisamborana ka namoaka sabatra », hoy ny vaovao, ka niaro-tena tamin’ny tifitra avy hatrany ireto farany, ka nahalavo jiolahy iray. Tetsy andanin’izay dia tafaporitsaka kosa iretsy sisa ambiny. Nambaran’ny fampitam-baovao hatrany fa saika efa nanita-kevitra hamaky ny trano nisy an’ity fiara izy ireo izao nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana izao. Nanamarika ireto farany ary fa rehefa ara-potoana ny antso, voatondro mazava ny toerana isehoan’ny asa ratsy, dia ahitam-bokany ary voasoroka toa izao ny asa ratsy. Fa mipetraka ny fanontaniana eny amin’ireo mpanara-baovao hoe, vokatra tsara ny toa izao sa vokatra ratsy ? Mety ho eken’ny maro fa jiolahy ity maty voatifitra ity, satria tratra teo am-bodiomby mihitsy, saingy vahaolana ve izany ? Ny tsy azo lavina mantsy, voasambotra ny eo, maty ny hafa, saingy toa vao mainka maharomotra sy mampitsiry eritreritra hamaly faty ho an’ny sasany indray izany. Dia ireo tsy mandady harona, tsy manam-basy sy tsy manana fitaovam-piadina ihany no tsy maintsy hizaka ny vokany indray avy eo.
m.L