Omaly hariva tamin’ny efatra ora, taolam-paty telo gony no hitan’ny mpandevina tao anaty kirihitr’ala, tao Ambohimasay Toliara II, 10km miala ny tanànan’i Toliara (atsimo atsinanan’i Maninday). Gaga sy talanjona ny rehetra raha nahita gony nosaronana ravin-kazo. Rehefa nosavaina ny tao anatiny dia taolam-paty no tao. Nampandrensina haingana ny mpitandro filaminana ary manao ny fikarohana ny olon-dratsy amin’izao. Araka ny fitantaran’ireo fianakaviana iray handeha handevina ny havany maty nahita maso ireo taolam-paty, izay nitafa tamin’ny mpanao gazety,dia nafenina tao anaty kirihitr’ala tao anaty gony nosaronana ravin-kazo tsy lavitra ny fasan-drazan’izy ireo ireto taolam-paty. Ankevitry ny vao avy nalaina tamin’ny fasana tsy lavitra ireto taolam-paty ary niandrasana andro maizina na koa rehefa mangina tsy misy mpandalo vao hoentina saika hitadiavana mpividy, kanjo nisy nahita tampoka.
Eric Manitrisa
Toliara II : Taolam-paty 3 gony hitana mpandevina tao anaty kirihitr’ala
Articles qui pourraient vous intéresser