- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Lehilahy iray tratra nivarotra rongony

Ambohimangakely : Lehilahy iray tratra nivarotra rongony

Lehilahy iray no tratran’ny polisy miady amin’ny fihanaky ny rongony, teny amin’ny faritr’ Ambohimangakely. Nahazo vaovao ny mpitandro filaminana miady amin’ny fiparitahan’ny zavamahadomelina ny fisian’izany. Tsy niandry fa nidina teny an-toerana avy hatrany ry zareo, tamin’ny alakamisy teo. Tratra tao an-tranony ny olona iray, 34 taona, teo am-pivarotana rongony. Rasta no ahafantaran’ny olona eny an-toerana azy. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana rongony tao anaty “sachet” telo milanja 500 gr sy fonosana efa amidy miisa 29. Rehefa nohenoina izy, dia nilaza fa azy ireo zavatra ireo. Eny amin’ny faritra Ambohimanarina no fangalany izany, vidiny 8 000 ariary ny iray “sachet”. Avy eo tsinjarainy ka ahazoany 25 fonosana ary  amidy 500 ariary ny iray. Mahalafo 30 fonosana isan’andro ny lehilahy. Sady mivarotra izy no mifoka. Omaly zoma no natolotra ny Fampanoavana ity olona ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici