Jiolahy efatra no indray nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa Ambohijatovo. Voatonona ho mpanao fanafihana mitam-basy izy ireo. Tratra niaraka taminy rahateo ny basy vita gasy iray. Ny alin’ny alarobia 4 Oktobra 2015, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany, dia naharay antso avy tamin’ny olona tsara sitra-po ny mpitandro filaminana, fa misy lehilahy maromaro mitondra basy tao amina trano fisotroana iray eny Ambohipo. Tsy niandry fa nidina teny an-toerana avy hatrany ireo polisy. Tamin’izay fotoana izay no tra-tehaka ny telolahy niaraka tamin’ny basy. Rehefa nofotorana izy ireo, dia nilaza fa tany amin’izany Baby izany no nahazoany ny basy. Teo no ho eo ihany dia nokarohina teny Ampahateza ilay olona voatonona anarana. Raha vao nahatazana ireo polisy anefa ny anao lahy dia lasa nandositra. Nenjehina ka tsy lasa lavitra fa voasambotra teny Ambatoroka ambany. Nilaza ilay bandy, fa efa ela no nitazonany ilay basy izay fitondrany nampihorohoroana sy hanendahana olona. Ireo rehetra mpody alina sy ny taxi mandeha alina no tena lasibatra amin’izany. Ambohipo sy Ambolokandrina no toerana fanendahan-dry zalahy. Ny roa tamin’ireo efatra tratra, dia fantatra fa efa nigadra noho ny resaka vaky trano.
Omaly zoma no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo.
r.s.