
Lehilahy iray manodidina ny 70 taona no namoy ny ainy, may kilan’ny afo teny amin’ny faritra Ankaditapaka ny iny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo.
Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any no nanomboka nidonaka ny afo, nandrava ilay trano. Tsy nisy afa-tsy ity lehilahy ity irery no tao an-trano tamin’io fotoana io. Araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana dia tsy fantatra mazava aloha hatreto izay nahatonga ny loza. Tao anatin’ny jiro tapaka mihitsy izy io, raha ny fantatra hatrany, ka azo heverina, hoy hatrany ireto farany, fa hoe afon-dabozia indray no nahatonga izao fahavoazana izao. Efa niredareda aok’izany ny lelafo vao nifandrombaka sy nikorapaka ny iray tanana. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy voina. Tamin’izay fotoana izay anefa, tsy vitan’ireo entana rehetra tao an-trano ihany no lasa lavenona. Mbola tavela tao anatiny ihany ilay rangahy tompon-trano. Toa hoe mbola resin-tory ity olona ity tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Fotoana fohy ihany dia voafehy tanteraka ny afo saingy indrisy fa efa vatana mikarainkona no nosintomina avy ao anaty tapa-porohona mbola midonaka.
Fa ankoatr’izay dia trano hazo maromaro no indray nataon’ny afo kilalao teto an-drenivohitra ny sabotsy sy ny alahady teo. Nisy efatra tetsy Anosibe Angarangarana, nitranga ny sabotsy tokony ho tamin’ny 11 ora alina. 17 kosa ny teny Andohatapenaka, niseho omaly antoandro. Vokany, olona iray no naratra, may teo amin’ny kibony, fiara ihany koa no kila forehitra tao anatin’izany afo be izany, ary manginy fotsiny ireo biby fiompy tamin’izany. Hatreto dia mbola fanontaniana goavam-be eo amin’ny niharam-boina ny niavin’ny loza. Afo efa mijoajoala, mandevona ireo fananany, avokoa mantsy no hany sisa hitan’ireo niharam-boina. Saika tsy misy afa-tsy ny fampiononana amin’ny hoe “court-cricuit” no anton’izany. Ary noho izy ireo trano hazo dia nitatra haingana dia haingana ny afo, eny fa na dia teo aza ny herim-pon’ireo fokonolona niezaka namono sy nifehy izany. Saingy indrisy fa saika tapa-porohona sisa no navelan’ny afo mpandrava.
Saika mahavelom-panontaniana ny maro tokoa ny trangana hain-trano nifanesisesy teto an-drenivohitra izay, tao anatin’ny andro maromaro izay. Raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ilay hain-trano mahatsiravina izay nandrava ny antsasak’ireo mpivaro-kazo tetsy Andravoahangy. Mety ho vokatry ny tsy fitandremana tokoa ve sa mety ho natao fanahy iniana ?
m.L