Olona roa no fantatra, fa maty rehefa avy nifampitifitra tamin’ny polisy avy ao amin’ny UIR tany Toamasina. Araka ny voavoa voaray, nisy nampilaza ny mpitandro filaminana, fa misy roalahy nitondra basy teny Salazamay tamin’ny alahady 18 oktobra tamin’ny 5 ora hariva. Nidina teny an-toerana ireo polisy. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana, hoy ny vaovao voaray. Tonga dia nitifitra ireo olona nenjehina ka tsy maintsy namely izany ireo mpitandro filaminana. Tamin’izany no nahavoa azy roalahy ireo. Basy marika Unique no teny amin’ireo olona ireo.
Nangonin’i r.s.