- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Jiolahy sady namaky trano no nanolana

Toamasina : Jiolahy sady namaky trano no nanolana

Ao anatin’ny tsy filaminana tanteraka ireo mponina mipetraka ao Morafeno ankehitriny. Tsy vitan’ny famakiana trano no ataon’ireo jiolahy, fa aolan’izy ireo hatramin’ireo tovovavy ao anatin’ny trano idirany ihany koa. Tranga iray no niseho ny alahady hifoha, ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 01ora maraina. Tokantrano iray tao Morafeno P/elle 14/33 no novakian’ireto jiolahy 4 tsy nisaron-tava ary nitondra fitaovana maranitra sy famakiana trano. Lasan’izy ireo tamin’izany ireo entana mora nobataina sy ny vola tao an-trano ary ireo firavaka sarobidy an’ireto fianakaviana. Tsy vitan’izany ihany, fa tovovavy mbola 16 taona, mbola virijiny, ihany koa nanaovan’ireto jiolahy tamba-be tamin’ny fanolanana azy, tovovavy mpianatra taona famaranana eo anivon’ny Lycée Rabemananjara; taorian’izay vao nandeha tsy taitra nitondra ny entana azony ireto jiolahy. Simba tanteraka ilay tovovavy araka ny fizahan’ny mpitsabo azy; 30 minitra taorian’ny fahalasan’ireo jiolahy kosa vao tonga ny FIP Valpinson. Ny alatsinainy maraina tonga ihany koa ny zandary nitondra alika mpitsongodia, ka tovolahy iray ahiana  ho isan’ny naman’ireto jiolahy no voasambotra mandalo fanadihadiana, hahalalana ny tena marina sy izay mety ho namany raha izy isan’ireto jiolahy tokoa. Ankoatra izay, tao Valpinson kosa jiolahy nangalatra bateria ana fiara amin’ny andro antoandro be nanahary ny sabotsy  teo. Nesorin’ireto jiolahy ny vy miaro ny Tanana mipetraka amin’ny fefy, ka mora tamin’izy ireo no niditra tao anatin’ilay tokotany. Tsy tafiditra tao an-trano kosa ireto jiolahy, ka izay no nakan’izy ireo ny baterian’ny fiara nijanona teo an-tokotany; izay tsy naheno na inona na inona ny tao an-trano nandritra ny zava-nitranga rehetra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici