- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Vaky trano, roalahy nalefa eny Tsiafahy

Antohomadinika : Vaky trano, roalahy nalefa eny Tsiafahy

Omaly alatsinainy maraina tamin’ny 4 ora, no nosamborin’ny polisy tany an-tranony eny Antsalova Antohomadinika, ny lehilahy iray fantatra fa tompon’antoka tamina vaky trano niseho teny an-toerana herinandro lasa izay. Rehefa nofotorana izy io dia nanondro ny namany hafa niaraka taminy. Ny alatsinainy 12 oktobra, nisy nanafika tao an-tranony teny Antsalova, ny vehivavy iray tokony ho tamin’ny 2 ora latsaka teo. Nopoirin’ireo olon-dratsy tamin’ny “barre à mine” ny varavarana ary dia niditra ry zalahy. Lasany tamin’izany ny paoketra iray nisy vola 4 tapitrisa ariary. Nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana ilay very vola. Nandeha ny fanadihadiana ary dia izao voasambotra omaly izao ny roa tamin’ireo mpangalatra. Ilay voasambotra faharoa moa dia ny mpanome “sopapa” ny mpamaky trano. Izy io no nahalala ny fisian’ny vola tany amin’ilay ramatoa. Mpibata ny entan’ity vehivavy ity izy.

Natolotra ny Fampanoavana omaly izy roa ireo ary dia nalefa eny  Tsiafahy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici