- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Jiolahy tratra teo am-panendahana mpamily

Antanimena : Jiolahy tratra teo am-panendahana mpamily

Na dia tsy am-perinasa aza, dia tsy nisalasala nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy iray, lehibena sampana ao amin’ny pôlisy, nanoloana asan-jiolahy tetsy Antanimena, ny alahady hariva teo. Mpamilina teratany vahiny iray no norobaina andian-jiolahy. Niditra an-tsehatra avy hatrany ity pôlisy ity nanenjika ireo olon-dratsy; izay nitsoaka raha vao nahita azy. Ny roa tamin’izy no tratra ary nentina avy hatrany teny Tsaralalàna sy natolotra ny Fampanoavana omaly. Mety sy azo heverina ho foana haingana ny asan-jiolahy, raha toa mandray ny andraikiny toa izany avokoa ny rehetra, na olon-tsotra io na mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici