- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMaharidaza: Jeneralin’ny zandary naratra mafy, navadiky ny fiara

Maharidaza: Jeneralin’ny zandary naratra mafy, navadiky ny fiara

Niharan-doza teo an-tampon’i Maharidaza ny manamboninahitra ambony iray ao amin’ny zandarimariam-pirenena, ny alahady teo. Araka ny fantatra, dia niharan-doza teo an-tampon’i Maharidaza ny fiara tsy mataho-dalàna, marika Korando, nitondra azy, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva. Avy any Toamasina ity jeneraly ity, ary handeha hizotra aty Antananarivo no izao niharan-doza izao. Raha ny loharanom-baovao azo, dia olana avy amin’ny fiara no antony nahatonga ny loza. Nikatso tampoka raha teo an-tampom-piakarana ity ny familiana, raha ny fanazavana azo hatrany, hany ka nandeha tsy tany amin’ny tokony ho izy ilay fiara tsy mataho-dalana. Nivoaka ny lalàna, nivadibadika ambony ambany efa im-betsaka ary niafara tany anaty hantsana nony avy teo. Mbola sendra ny vintana nitsiky anefa fa tsy latsaka tanteraka tany amin’ny farany ity fiara ity, fa voatazon’ny ampentany kely teo ampovoany. Raha tsy izany angamba dia izay vao tena zava-doza tanteraka no niseho. Na izany na tsy izany anefa, dia fantatra fa samy naratra avokoa ny olona dimy tao anatin’ity fiara ity. Tena voa mafy tamin’izany ilay manamboninahitra, tompon’andraikitra ambony. Nambaran’ny loharanom-baovao, fa voa teo amin’ny lohany izy, ary tsy nahatsiaro tena tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nampakarina avy hatrany taty Andrenivohitra ireto olona niharan-doza ireto taorian’izay. Efa tsy misy ahatahorana kosa ny ainy amin’izao fotoana izao, raha ny vaovao voaray hatrany. Torak’izany kosa ireo olona hafa tao anaty fiara.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici