Vehivavy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no nampidirina am-ponja vonjimaika, noho ny resaka fisolokiana. Nentina teo anivon’ny Fampanoavana omaly, ramatoa iray, izay efa isan’ny nampikolay ireo banky maromaro teto an-drenivohitra amina resaka fisolokiana. Araka ny fantatra dia mody miditra ho isan’ireo mpikambana ao amin’ilay banky izy ary mindrana vola, an-tapitrisany. Volabe mihitsy no hindraminy amin’io fotoana io, ka rehefa azony dia iny izy no manjavona tsy hita intsony. Taratasy hosoka no hampiasainy amin’izay ka tsy hita arahana sy tadiavana intsony izy. Efa tena kalaza amin’ny resaka fisolokiana ity ramatoa ity. Notoriana olona teny Itaosy indray mantsy izy, tamina resaka taratasim-bola tsy misy antoka. Taorian’izay dia nosamborin’ny zandary teny an-toerana rehefa nametraka fitoriana ireo lasibatra. Tao anatin’izay rehetra izany dia efa nisy raharaha hafa, izay resaka fisolokiana ihany koa, nanenjahana an’ity ramatoa ity indray tany amin’ny zandary teny Fiadanana. Izany rehetra izany nitambatra no angamba antony nametrahana an’ity ramatoa ity any am-ponja aloha, mandram-piandry indray ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L