- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanondranana vehivavy any ivelany : Olona efatra nampidirina am-ponja

Fanondranana vehivavy any ivelany : Olona efatra nampidirina am-ponja

Tovovavy miisa telo indray no saika halefa an-tsokosoko any amin’ny nosy Mayotte andro vitsy lasa izay. Efa teny amin’ny toerana ihaingana anefa no nahare resaka hafahafa izy telo vavy ireto ka nandeha nandositra nanavotr’aina. Ireo olona nikasa ny handefa azy kosa, nosamborin’ny mpitandro filaminana ka rehefa natolotra ny fitsarana dia fantatra fa nalefa any am-ponja vonjy maika. Tany Ambanja no niseho ity raharaha ity.

Ny loharanom-bovao no nahafantarana fa toa hoe feno fitaka ity fandefasana olona ity.

Nitady olona ireo mpisoloky fa afaka mandefa olona any amin’io nosy voalaza etsy ambony io fa misy mitady mpiasa any. Dia natao ny resaka sy ny fikarakarana ny taratasy. Vola eo amin’ny 9 tapitrisa ariary eo no nasaina naloan’ireo telo vavy ary efa nisy ny ampaham-bola  naloan’ireo ankizy vavy ireo. Rehefa izany dia nomena fotoana tany amin’ny toerana antsoina hoe Marosely any Ambanja ry zavavy, toerana izay hiangaina. Teo am-piandrasana ny fandehanana anefa no nandrenesan’izy ireo ilay resaka hafahafa. Tsy niandry izy ireo fa lasa nandositra tany amin’ny tobin’ny mpitandro filaminana nitantara ny fandehan-javatra. Tsy niandry  ireto farany fa nandeha nijery ifotony ary nisambotra avy hatrany.

Mipetraka eto Antananarivo ireo telovavy voasoloky fa avy any Andapa kosa ny fihaviany. Nandeha lavitra sy nandany volabe tokoa ry zareo tamin’ny fidinana tany Ambanja. Tsy misy farany ity karazana fisolokina ity eto amintsika. Mitombo isa saika isan’andro ny tsy an’asa ka toa iany no araraotin’ny sasany handrebirebena azy ireo amin’ny fampanantenana asa any ivelany. Efa maro no voa nefa dia tsy vitsy koa ireo izay mbola tafiditra ao anatin’ny fandrika nataon’ireo mpisoloky isan-karazany.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici