- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimiadana : Tovovavy bevohoka, maty novonoin’ny sakaizany

Ambohimiadana : Tovovavy bevohoka, maty novonoin’ny sakaizany

Ahavitan-doza mihitsy ity resaka fitiavana ity. Tovovavy iray, vao 15 taona monja no hita faty tany  Ambohimiadana, ny talata lasa teo. Mitondra vohoka efa-bolana ity vehivavy ity, raha ny fampitam-baovao ao avy amin’ny mpitandro filaminana, ary ny sipany ihany no niaiky fa namono nahafaty azy. Tsy nisy tsy nihoron-koditra tamin’ity tranga niseho tao Alarobia Vatofotsy ity ireo mponina rehetra. Tao anaty lavabato iray tany an-toerana, tovovavy iray no hitan’ny olona nifatotra, ary nihosin-drà tanteraka. Nisy fatoran-damba teo amin’ny vavany ary naratra be ny teo amin’ny faritry ny lohany, izay feno mangana rahateo. Efa tsy nisy aina intsony ity tovovavy mampahonena, izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity. Niantefa tany amin’ny olon-tiany avy hatrany ny ahiahin’ny rehetra. Ity farany izay avy hatrany dia nosamborina sy notananan’ny zandary tany an-toeranahatao fanadihadiana. Tamin’ny fakàna am-bavany natao azy no niaikeny ny heloka bevava nataony sy nitantarany ny fomba namonoany ity sakaizany ity. Fantatra fa ny alatsinainy lasa teo no nanaperany ny ain’ity sakaizany ity. Taorian’izay dia nafeniny tao anatin’ilay lava-bato avy eo, ary noheveriny fa tsy hisy hahafantatra. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ity tovolahy ity hanao izao habibiana tsy roa aman-tany izao. Ambonin’izay, fantany tsara fa mitondra vohoka ity tovovavy novonoiny ity. Mety hisy ifandraisany amin’izay tranga izay rahateo ny antony nanosika ity tovolahy 21 taona, hanao izao vono olona izao, araka ny vinavinan’ny rehetra. Omaly no nohenoina teo anivon’ny Fampanoavana ity tovolahy nahavanon-doza ity. Nampidirina avy hatrany eny Tsiafahy izy araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici