- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Tovovavy roa, nisy nidaroka, naratra mafy tsy nahatsiaro tena

Ankatso : Tovovavy roa, nisy nidaroka, naratra mafy tsy nahatsiaro tena

Hatairana ny an’ireo mpianatra teny amin’iny faritra Ankatso iny  ny alarobia alina lasa teo. Tovovavy roa, manodidina ny 20 taona eo ho eo, no hitan’izy ireo efa mihosin-drà sy tsy mahatsiaro tena intsony teny amin’iny faritra iny. « Tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo izahay no naharay antso ny amin’ny fisiana olona naratra mafy teny Ambohipo, tao ambadika toeram-pandihizana iray », hoy ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny kaomisaria boriborintany faha-2. Tsy am-pisalasalana no nitenenan’ireo olona teny an-toerana fa nisy nidaroka sy namono izy ireo. Ny iray taty akaikin’ ny tranon’ny mpianatra, Ankatso II. « Tokony ho tany amin’ny 11 ora latsaka tany angamba no niseho io zavatra io », hoy ny mpianatra iray. « Hitanay efa nihosin-drà sy toa efa tsy misy aina intsony, teo akaikin’ny Bloc 10. Tao anaty tatatra izy io no hitanay ary ny nahagaga dia notampenan’ireo olona namono baoritra ny tarehiny, izay efa rapa tanteraka ». Araka ny fitantaran’ny sasany tamin’izy ireo dia raha teo am-pitadiavana fiara, hitondra ity tovovavy naratra mafy, ho any amin’ny hôpitaly izy ireo no sendra ny fiaran’ny pôlisy. Ireto farany izay, nahazo antso fa misy tovovavy hafa, naratra mafy nisy namono ihany tao ambadiky ny toeram-pandihizana iray teny Ambohipo. Araka ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana dia tsy fantatra mazava izay nahazo ireto tovovavy roa ireto. Toa hoe tsy mponina eny an-toerana izy ireo  ary tsy mpianatra ihany koa. Tsy misy taratasy mombamomba azy rahateo tany amin’izy ireo, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana. Fanontaniana goavana ho an’ireo mponina eny an-toerana ity tranga ity. Sendra ny olon-dratsy ve izy ireo, sa miverina indray ilay trangana vely « bois rond », izay efa nangingina tato ho ato ? Io alina io ihany no naterina haingana teny amin’ny hôpitaly teny Ampefiloha izy ireo, raha ny fanazavana azo hatrany. Misokatra kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana ataon’ireo pôlisy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici