Hotanterahina amin’ny alahady faha-25 oktobra izao ny fetin’ny Taranaka ho an’ny FJKM Antsampandrano Mananara. Hasaina isika rehetra aty am-pielezana ho tonga any an-tanindrazana amin’io fotoana io. Amin’ny vanim-potoana ohatra an’izao no hifanatrehantsika any an-toerana. Hisy araka izany ny fandraisana anjara amin’ny fanomezana isan-taranaka. Ho antsika aty an-drenivohitra dia hisy ny fiara raisina eny Andravoahangy ka ny fiaingana dia amin’ny 6 ora sy sasany tsy diso. Ny fotoam-pivavahana any an-toerana dia hanomboka amin’ny 9 ora sy asany.
Articles qui pourraient vous intéresser