- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Nisandoka ho mpitsara, dia naka fiaran’olona

Anosy : Nisandoka ho mpitsara, dia naka fiaran’olona

Lasan’ity olona iray nisandoka ho mpitsara ny fiaran’olona, ho tambin’ny fikarakarana an’io farany izay nanana raharaha teny amin’ny tiribonaly. Rehefa tena nojerena anefa, hay mpisoloky ilay lehilahy. Tonga nametraka fitoriana teny min’ny BC 3 Anosy ny olona iray fa voasoloky fiara. Ny faha-12 oktobra ry zareo no nametraka an’io fitoriana io. Nanana olana teny amin’ny fitsarana ireo mpitory. Tamin’izay fotoana izay no tonga nanatona azy ilay lehilahy nilaza fa mahafantatra mpitsara afaka mikarakara sy manafaka azy. Vola no nifanarahana fa homena ilay mpisandoka. Tsy nanana izany anefa ilay olona hotsaraina koa dia ny fiarany no nomena. Efa tamin’ny faha-16 septambra izany zavatra izany no niseho. Tsy nahavita na inona na inona anefa ity nilaza fa hikarakara, satria naiditra am-ponja ihany ilay olona rehefa nandalo fitsarana. Ny fiara anefa efa lasan’ny sasany. Taorian’izany no nametrahana fitoriana teny amin’ny polisy. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay mpisandoka. Notadiavina tany amin’ny trano fonenany fa tsy hita, ka farany nametrahana taratasy fiantsoana. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa tonga nitolo-batana ny anao lahy ny faha-19 oktobra. Rehefa nofotorana izy dia nilaza fa nalainy tokoa ny fiara, saingy efa tsy hita intsony izay misy azy. Efa nametrahany fitoriana teny amin’ny zandary ny tsy fahitana ilay fiara. Nampifanetrehana tamin’ireo voasoloky ilay lehilahy ka nanamafy ireo fa io tokoa ny olona naka ny fiarany sy nisondoka. Tamin’ny alarobia teo no niatrika ny Fampanoavana ity olona ity ary nalefa vonjimaika eny Tsiafahy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici