- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTaratasy misokatra ho an’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina

Taratasy misokatra ho an’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina

Manjaka ny asa-dahalo ato amin’ny Région Boeny : eo ny “ attaque à main armée” mahazo ny vahoaka isan’andro vaky izao, eo koa ny “kidnapping” fa indrindra ao Mahajanga ville. Eo anatrehan’izany dia amin’ny alahelo no ilazanay aminao, Atoa Filoha, fa tsy mandray andraikitra ny zandary. Tato ho ato dia  nandalovan’ny “attaque à main armée” ddistrikan’i Mitsinjo sy Soalala iny, nefa tsy hitanay izay hetsika ataony fa vao mainka aza ny mpanao ratsy no voaaro ary ireo mpitandro filaminana madinika dia tratran’ny tsindry bokotra, indrindra raha iray fiaviana amin’ny tomponandrikitry ny zandary no manao ny halatromby na  “attaque à main armée”. Ohatra amin’izny, nisy olona izay nangalatra vary ana orinasa tao amin’ny kaominina Antogomena-Bevary,ary nikasa hamely antsy ireo mpiambina. Tahaka izany koa ny tomponandraikitra iray ao Namakia manao ny fomba rehetra hiarovana ireo mpanao ratsy sy mangalatra omby. Mafy ny zavatra mahazo ny vahoakanao amin’ny tapany andrefan’ny nosy iny, Atoa filoha, tratran’ireo tompon’andraikitra natao hiaro azy ireo, nefa vao mainka mambotry azy. Koa eo anatrehan’izany dia mangataka izahay Sojabe avy aty Mahajanga, Atoa filoha, ny hanesorana ireo manamboninahitra ireo fa mijaly ny vahoaka. Na eo aza izany rehetra izany dia isaoranay eram-po eran-tsaina ny manamboninahitra ao Mahajanga sy ao Mitsinjo sy ao Soalala ary Marovoay fa miasa ho an’ny vahoaka ireo tomponandrikitra ireo. Koa mitalaho aminao izahay, Atoa filoha, ny hanesorana ireo miray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy fa very izahay.

Sojabe :

Atoa Lamandy, Atoa Latsy, Atoa Solofo, Atoa Richard ary Atoa Koto

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici