- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahafaty i Tokanono mpimasin-dRemenabila

Betroka : Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahafaty i Tokanono mpimasin-dRemenabila

Tamin’ny zoma lasa teo no natao tany amin’ny tiribonalin’i Betroka ny fitsarana ilay ramatoa antsoina hoe Tokanono voatondro ho mpimasin-dRemenabila, dahalo nampihorohoro ny faritra maro tany atsimon’ny nosy. Voapanga ity vehivavy ity efa tafiditra ao anatina fikambanan-jiolahy sy vonoan’olona. Nilatsaka ny didy ka fantatra ankehitriny fa sazy faran’izay henjana no nomena azy. Sazy asa an-terivozona mandra-pahafaty.

Araka ny fantatra dia taty amin’ny fonjan’Antanimora izy no notazonina taorian’ny nisamborana azy tany atsimo. Nalefa tany Betroka rehefa natao ny fitsarana. Tsiahivina fa tamin’ny fotoana nampamaivay ny asan-dahalo notarihan-dRemenabila no nisamborana ity olona ity, ny volana septambra taona 2012. Mpitandro filaminana an-jatony no nalefa tany an-toerana nanatontosa ny “Hetsika Tandroka” taorian’ny nahafatesana mpitandro filaminana am-polony. Tomponandrikitra tamin’izany famonoana izany ilay nantsoina hoe Remenabila sy ny tariny. Nisy ny sary izay navaoka ho fantatry ny rehetra fa io izany olona mampitondra faisana ny any atsimo izany. Tamin’ny fikarohana azy, raikitra ny haza lambo saika nanerana ny tanàna, havoana ary lohasaha maro tany an-toerana. Niafara tamin’ny fisamborana an’i Tokanono izany. Izy io dia nolazaina fa mpanao fanafodin’i Remenabila. Tratra tany miny ny ody gasy marobe isan-karazany izay nofonosina tanaty lamba miloko mena.  Telo taona taty aoriana, notsaraina izy ary dia izao nogadraina any Betroka izao.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici