- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Roalahy nahatratrarana vola sandoka 11 tapitrisa ariary

Soanierana Ivongo : Roalahy nahatratrarana vola sandoka 11 tapitrisa ariary

Manararaotra ny taom-piotazana jirofo ao Soanierana Ivongo ireo jiolahy mpanao vola sandoka, ka tonga manangom-bokatra ihany koa manadio vola amin’ireo tantsaha. Tranga iray amin’izany ity niseho tao amin’ny fokontany Andilakely Soanierana Ivongo.

Raha nihevitra ho nahazo vola tamin’ny jirofo 20kg namidiny ity raim-pianakaviana ity, dia tsy izay no hitany raha tonga tany an-trano nanisa ny vola teny aminy izy fa vola tsy izy no azony. Manodidina ny 25.000 ariary hatramin’ny 30.000 ariary anefa ny kilaon’ny jirofo maina izao. Tezitra mafy tamin’ny nahazo azy ity raim-pianakaviana ity ka niantso fokonolona hikaroka ireto roa lahy nividy ny jirofony, ka ny harivan’ny alakamisy teo tokony tamin’ny 6 ora sy sasany no tratran’izy ireo Ingahy isany Ramasinandro Maurice Flevis sy Maurice Laurent. Avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny daroka, saingy teo am-pitondrana azy ireo hovonoina ny fokonolona dia tonga ny polisy avy ao Soanierana Ivongo, notarihan’ny kaomisera ny Officier Tsimba Angelo Felix, nisambotra ireto mpanao vola sandoka ary nitondra azy nanaovana fanadihadiana. Nisy anefa ny olana teo amin’ny fokonolona sy ny mponina izay nahatonga ny fitangoronana nanoloana ny kaomisaria tany an-toerana.

11 tapitrisa ariary. Raha natao ny fisavana azy roa lahy tratra ireto dia mitentina 11 tapitrisa ariary ny vola sandoka amin’ny 10.000 ariary tao anatin’ny sakosy nentin’izy ireo. Raha ny fahitana azy dia tsy mifanalavitra amin’ny vola tena izy, saingy eo amin’ny taratasy nanaovana azy no mora ahalalana azy. Saingy amin’ny hariva sy vao mangiran-dratsy no mividy jirofo izy roa lahy ireto, ka tsy hitan’ny olona loatra ny fahasamihafana amin’ny vola tena izy sy ity sandoka ity. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana ihany dia tsy izy roa lahy ireto ihany no jiolahy mpanao vola sandoka avy ao Toamasina tonga any Soanierana Ivongo hanadio vola, fa maromaro ka eo am-panarahan-dia azy ireo ny polisy ary efa nampitandrina ihany koa ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra hafa amin’ny zava-misy.

Ankoatra izay dia manahy ny hisian’ny fanafihan-jiolahy mitam-basy amin’ireo tantsaha, sy ireo mpanangom-bokatra, ary ireo mpandraharaha mividy izany any an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Fotoanan’ny fitrangany mantsy ny taom-piotazana jirofo tahaka izao, nefa tsy haharaka ny tranga mety hisy ny isan’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana ankehitriny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici