Mpanao saribao tsy ara-dalana tratran’ny zandary sy omby sivy avy norobain’ny dahalo no tafaverina amin’ny tompony, nadritra ny fanaovan’ireo zandary avy ao amin’ny sekoly ambony eto Moramanga na ny ESGN 350 mianadahy nanao fanazarantena tao amin’ny faritra avaratra misy ny alan’ny Fanalamanga. Naharitra enina andro ity fanaovana ny fampiharana eo amin’ny fiatrehana ny ady amin’ireo olon-dratsy ity, raha toerana mafampana amin’ny tsy fandriampahalemana ny toerana nanaovana izany ; izay nifarana tamin’ny 23 oktobra 2015.Tafiditra ao amin’ny tanjon’ny zandary ny fanamafisam-pahalalana mikasika ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny fiatrehana ireo jiolahy mpanafika ,ny dahalo ary ny fanonganam-panjakana hoy ny komandin’ny sekoly ambonin’ny Zandarmariam-pirenena ny Kolonely Ramasitera Ny Haingo Zafiniriana. Fiaraha-miasan’ny orinasa Fanalamanga sy ny sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena no nahafahana nanao izao hetsika izao ary koa ny tohana avy amin’ireo mpitrandraka,mitovy ny tanjon’ny roa tonta nanao ny fiaraha-miasa dia ny hampandry fahalemana ny fiarahamonina, raha faritra mafampana amin’ny tsy fandriampahalemana no nanaovana izao hetsika izao, dia ao anatin’ny distrikan’ Amparafaravola sy Moaramanga ary Ambatondrazaka ; izay nahitana kaominina telo fantatra amin’ity tsy fandriampahalemana ity, dia ao Ranomainty sy Soalazaina ary Antanambao Besakay. Nandritra io fotoana io no nahatrarana ireo omby tafaverina tamin’ny tompony raha nihevitra ny hanjakazaka tamin’ny fananan’olona ireo dahalo.
CATHY