Mitaraina amin’ny zava-misy ataon’ireo jiolahy sy ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitandro ny filaminana, ny tale iraisam-paritry ny Jirama ao Toamasina, Atoa Veloson Léonard, nandritra ny valan-dresaka nataony ho an’ny mpanao gazety, ny alahady tolakandro teo, tao amin’ny birao fiasany.
Fantatra nandritra izany fa, efa misy ezaka ataon’ny Jirama Toamasina nanafoanana ny delestazy tao an-toerana, izay niteraka sakoroka sy faty olona mihitsy herin-taona lasa izay, nefa misy misompatra izany ankehitriny. Ny sabotsy alina nifoha ny alahady teo tokony tamin’ny misasak’alina, dia taribin’ny Jirama 900m no nisy nangalatra tamin’ny tamba-jotra Volobe Toamasina II sy Toamasina I, izay niteraka fahatapahan’ny herinaratra tamin’ny toerana sasany tao Toamasina, ny alin’io ihany sy ny alahady tontolo ny andro. Nisy ny ezaka nataon’ny mpiasan’ny Jirama nemerina izany, na tena efa tsy misy aza ny fitaovana nampiasaina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifany, sy nampisehoan’izy ireo fa misy ezaka atao izay hitadiavan’izy ireo fiaraha-miasa amin’ny rehetra.
Taribia 36 km. Raha ny zava-misy ao Toamasina tamin’ity taona 2015 monja dia efa nahatratra 36 km ny taribin’ny Jirama mampitohy an’i Volobe sy Toamasina I no very nisy nangalatra. Tao anatin’izay anefa dia tsy nisy na iray aza tratra ireo mpangalatra ireo, izay mahalala tsara ny fomba fiasan’ny Jirama sy ny resaka herinaratra, na mpitandro ny filaminana maro no mameno ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-5 misava ireo fiara mandalo. Nomarihin’Atoa Veloson Leonard anefa, fa efa manan’amby amin’ny herinaratra i Toamasina tao anatin’ny 10 volana naha-tale iraisam-paritra azy tao Toamasina. Raha 23MW ny filana tadiavin’i Toamasina isan’andro, dia efa mahatratra 25,6MW ny vokatra misy ho an’ny mpanjifa ; hisy ny fampakarana izany ho 27MW ato ho ato amin’ny fanomanana ny taom-piotazana sy taom-panondranana lodsia 2015, satria mila tanjaka manodidina ny 2MW eo ireo mpanondrana.
Ankoatra izany, araka ny vaovao marim-pototra azo tamin’ireo vahoaka tao Fanandrana nandritra ny fidinana ifotony natao, dia mpiray tendro amin’ireo jiolahy ny mpitandro ny filaminana. Nambaran’ireo vahoaka nahita ny zava-nisy mantsy, fa « mini-bus » mpanao zotra rejionaly amin’ny lalam-pirenena faha-2, narahana mpitandro ny filaminana manao fanamiana ara-dalana mirongo basy no nitondra ireo taribin’ny Jirama nisy nangalatra, io alin’ny sabotsy nifoha alahady io.
Malala Didier