- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Ramatoa iray teraka amoron-dàlana

Antanimena : Ramatoa iray teraka amoron-dàlana

terakaRamatoa bevohoka iray no teraka an-dàlana, omaly tokony ho tamin’ny enina ora maraina ,tetsy Antanimena. Hatairana ny an’ireo olona sendra nandalo tamin’iny toerana iny io omaly io. Vehivavy iray, tokony ho tany amin’ny 30 taona tany ho any no nitangolika teo. Noheverin’ireo mpandalo fa marary izy. Taorian’izay anefa, feon-jazakely mitomamy no henon’ny rehetra. Nikoropaka avokoa ny rehetra niantso mpitandro filaminana sy ireo mpamonjy voina, izay tonga haingana teny an-toerana. Maro ihany koa ireo olona no antra ity vehivavy ity, ka nanolotra fanomezana isan-karazany azy mianaka kely. Nalefa avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo. Araka ny fantatra dia salama tsara izy mianaka kely.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici