- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Trano rava fieran-jiolahy

Antanimena : Trano rava fieran-jiolahy

Omaly dia nisy andiana mpanendaka nenjehin’ny polisy teny amin’ny faritra Antanimena. Voalaza fa niditra tao amin’izany trano rava izany izy ireo. Rehefa nanaraka anefa ny mpitandro filaminana dia tsy tratra tao intsony ireo bandy narahana. Ny vaovoa hatrany no nahalalana fa vehivavy maromaro no hita tao . Olona mpatory an-dalana ary nisy aza no niaraka tamin’ny zazakely. Heverina fa mahafantatra tsara ny fomba fanaon’ireo mpisam izy ireo ary efa nanontaniana izany. Matetika rehefa avy manendaka eny Antanimena sy ny manodidina ireo olon-dratsy dia mandositra mihazo ny lalamby ary tsy misy sahy manaraka. Miditra ao amin’ io trano rava io dia tsy hita. Ny talata teo, omaly, nisy olona nitondra faisana tamin’ny endaka nahazo azy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici