Taorian’ny nahitana ny fatina vehivavy iray tao an-tranony tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatomirahavavy Ampamotokana, eny Mahitsy dia fantatra izao fa niantefa tany amin’ny vadiny ny ahiahin’ny mpitandro filaminana. Omaly, taorian’ny fanadihadiana dia nentina tany amin’ny biraon’ny zandary io olona io nofotorana bebe kokoa.
Ny alahady lasa teo no nahafantarana fa hita tao amin’ny efitrano ambany rihana ny fatin’ity ramatoa ity. Voalaza tamin’izay fa tsy teo an-toerana ny vadiny. Ity farany no nampandre ny manodidina sy ny fokontany fa nihidy ny trano rehefa tafaverina teo an-tanàna izy. Novahana ny varavarana ary tamin’izany no nahitana ilay ramatoa efa tsy nisy aina intsony. Ny vaovao nampitain’ny havan’ny maty no nahafantarana fa rehefa nandeha lalindalina kokoa ny famotorana dia anisan’ny niantefan’ny ahiahin’ny zandary avy ao Mahitsy ny vadin’ilay namoy ny ainy. Nentina avy hatrany any amin’ny birao moa io olona io. Tetsy an-daniny, nisy ny fisavana natao toa an-trano sy ny manodidina ka tamin’izany no nahitana zavatra maromaro nafenina tany an-kabone : famaky, antsy sy ireny fiadiana fitondran’ny olona mahay haiady ireny misy zavatra maranitra amin’ny lohany. Ankoatra izany, tao anaty lavipiringa koa ny akanjon’ilay ramatoa.
Rehefa nojerena ny razana dia nahitana ratra maro teo amin’ny lohany, nisy dian’antsy, lavaka kely, ary ankoatra izany ny mangana amin’ny tenany. Ireo rehetra ireo no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Mbola mitohy amin’izao fotoana izao ny fikarohana ny tena zavatra niseho marina amin’ny nahafaty an’ity vehivavy ity.
r.s.