- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Fatina zana-tsokatra 2 gony, hita tao amin’ny fanariam-pako

Mahajanga : Fatina zana-tsokatra 2 gony, hita tao amin’ny fanariam-pako

Zana-tsokatra roa gony efa maty, no nisy nanary teo amin’ny fanariam-pako manoloana ny Bloc Administratif Ampisikina,  Mahajanga ny marainan’ny alarobia 22 okotobra  2015.

Misoko miadana ny fanaovana trafikana sokatra eto Mahajanga, na dia efa henjana aza ny lalàna manenjika sy manasazy izany. Tanaty gony roa miloko fotsy mbola vaovao no nisy ireo sokatra ireo, ka  nifamonjen’ireo mpitsindroka fako, satria noheverin’izy ireo fa entana mbola azo alaina. Nararak’izy ireo avy hatrany tao anaty fitoeram-pako ny tao anatiny rehefa hitany fa fatim-biby efa maimbo fa ireo gony vaovao roa no nentiny.

Tompon’andraikitry teknika ao amin’ny Sampandraharaha iraisam-paritry ny Serasera aty Mahajanga, mipetrak tsy lavitra eo,  no nahatsikaritra ny zava-niseho ary nampandre avy hatrany ny toeram-piasany; izay nampita kosa tamin’ny vaovaom-paritra maraina miainga ao amin’ny RNM.

Nisy nandoro  efa hatry ny vao mangiran-dratsy moa ny fako tao anatin’ilay fanariam-pako nandrarahan’ireo mpitsindroka ny fatin’ireo sokatra ireo, ka nahasarotra ny famantarana ny isany marina,  satria dia nisy ny efa may sy nitambatra vokatry ny afo.

Tonga avy hatrany teny an-toerana ny avy ao amin’ny Tontolo iainana eto Boeny, notarihin’ny Talem-paritra Rtoa Rakotoarimanana Josette niaraka tamin’ny solontenan’ny Durell izay fikambanana vahiny mpamelo-maso ireo sokatra tsy fahita raha tsy aty Boeny.

Araka ny fandinihan’izy ireo ny sisa izay azo nojerena, dia fantatra fa Sokake avy any Atsimo, antsoina amin’ny  anarana siantifika hoe Astrochelys radiata avokoa izy ireo.

Raha ny tomban’ny fanadihadiana vonjimaika, dia sokatra nentin’olona avy any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara izy ireto ary saika haondrana any ivelany.  Noho ny tsy fahampian’ny rivotra tao anatin’ny gony dia sempotra izy ireo, ka izao niafara tamin’ny fahafatesany sy ny fanariana azy izao.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici