- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Endaka sy sinto-mahery, efa-dahy voasambotra

Analakely : Endaka sy sinto-mahery, efa-dahy voasambotra

Ny alarobia teo, olona efatra fantatra fa anisan’ny mpanendaka eny amin’ny faritra Analakely no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany. Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no tratra teo am-panendahana izy ireo. Manao andiany moa ry zalahy rehefa manao sinto-mahery sy manendaka. Marihina fa tsy mbola ampy taona ny roa tamin’ireo nosamborina ireo. Amin’ny fotoana mahamaro ny fitohanan’ny fifamoivoizana no tena mamely ireto andiany ireto. Fantatry ny eny Analakely amin’ny anarana hoe Karàna sy ny tariny. Rehefa natao fanadihadiana ry zalahy dia niaiky ny zavatra nataony, hoy ny vaovao voaray. Ilay antsoina hoe Karàna dia efa nalefa teny Anjanamasina noho ny asa ratsy nataony. Rehefa nivoaka anefa izy dia namerin-keloka indray. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici