- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Jiolahy efatra nosamborin’ny polisy

Mahajanga : Jiolahy efatra nosamborin’ny polisy

Mpandroba miisa efatra no tra-tehaky ny polisy avy ao Mahajanga tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa ao anatin’ilay tarika mampihorohoro ny renivohitr’i Boeny izy ireo. Valo ry zalahy ireo no mpiaraka.

Taorian’ny fanafihana maro nisesy, nandray ny andraikiny ny polisy tany an-toerana. Nisy ny fikarohana vaovao. Tetsy andaniny koa anefa, nisy ny fanomezana izany vaovao izany avy amin’ olona tsara sitrapo. Rehefa natao ny fitsongoana dia, fantatra fa nikasa hanafika teny amin’ny toerana tsy lavitra ny Sotema ireto jiolahy ireto, ny faha-26 oktobra teo. Natao ny vela-pandrika ka tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina, ireny tokoa ry zalahy tonga. Raikitra ny fisamborana azy ireo ka efatra no tratra. Izy ireo no tonga saika hanao ny fandrobana, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nisy basy vita gasy fampiasan-dry zalahy koa hita tany aminy. Rehefa tany amin’ny biraon’ny polisy dia nantsoina avokoa ireo rehetra voaroba hamantatra ireo jiolahy. Nisy ny nahatadidy tsara ireo mpangalatra ary nanondro sy nilaza fa “ity ilay nandaka ahy”, “ireto ireo niditra tao amin’ny fivarotana”.

Raha tsiahivina dia fivarotana maromaro no efa norobain’ireo andian-jiolahy, ny akaiky indrindra dia ilay teny Ambalavola nahavaky ny toeran’entan’ny orinasa STAR. Teo koa ny teny Amborovy, ny teny Malaza Huile sy ny toerana hafa. Antsoin’ny olona any an-toerana hoe “bande des huit” ity andiana mpandroba ity. Amin’izao, fotoana izao, mbola karohina ny efatra amin’izy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici